Tranga samihafa

Lalam-pirenena faharoa Mpamily namoy ny ainy navadiky ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny mpamily nitondra kamiao iray nivadika tany amin’ny lalam-pirenena faharoa tany Nandihizana Carion, omaly antoandro. Naratra ny olona telo niaraka taminy. Nivadika teo an-tsisin-dalana ilay fiarabe.

Olana teo amin’ny hisatra no fantatra fa nahatonga ny loza. Nitondra saribao nitodi-doha ho aty an-drenivohitra ny kamiao. Nandeha tamin’ny fidinana nisy fiolahana ilay fiara no tratran’ny tampoka. Nirimorimo ka tsy tafajanona intsony ny fiara. Nidaboka indray mandeha teo amin’ny tany, taorian’izay.

Naratra teo amin’ny tanana sady voa teo amin’ny tarehy ireo olona telo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, any an-toerana. Tsy nahetsika teo amin’ny fipetrahany kosa ny mpamily. Nozahana akaiky izy saingy efa tsy nisy aina intsony, hoy ihany ny fanazavana. Voatery nosokirina vao afaka avy tao anaty fiara ny vatana managatsiakany.