Tranga samihafa

Fanaovana hosoka Karohina ny vola sandoka mitentina 18 tapitrisa ariary

Nahatrarana vola sandoka valo alina sy efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary ny lehilahy telo voasambotry ny polisy, tamin’ny alarobia lasa teo. Fantatra fa mbola misy ambina vola sandoka manodidina ny valo ambin’ny folo tapitrisa ariary karohin’ny mpitandro filaminana.

Fifanakalozana ara-barotra tao anaty « internet » sy tambajotran-tserasera « Facebook » no nanararaotan’ireto lehilahy ireto nanaparitahana ny vola sandoka. Mividy sy mivarotra entana ao izy ireo mba hanadiovana ireo vola sandoka. Olona iray efa lasibatra no nampandre ny mpitandro filaminana. Natao ny fikarohana rehetra. Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa vola sandoka roapolo tapitrisa ariary no nokirakirain’ireo voarohirohy ireo. Ny iray tapitrisa ariary mahery ihany no tratra teny amin’izy ireo. Ahiana ho efa miparitaka ny ambiny.