Samihafa

Oniversiten’Antananarivo Hiara-dia amin’ny fankalazana ny andron’ny Yoga ny mozika

Homarihina anio eny amin’ny Esplanade eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Yoga. Ankoatra ireo mpankafy ny Yoga sy ireo toerana ahitana azy io eto Antananarivo, toy ny « Brahmakumaris », « Hatha Yoga », « Sahaja Yoga Madagascar » dia hisy ihany koa ireo Malagasy handray anjara amin’ny lanonana. Hanafana ny fotoana ireo mpanakanto malagasy roa Dalvis sy Stéphanie.

Tsy fanatanjahantena ihany ny Yoga fa fomba iray hahafahana manala ireo rarin-tsaina mianjady ihany koa. Isan’ny atoro eny Ankatso ny teknikan’ny Yoga izay mifototra amin’ny fandrindrana ny saina sy ny vatana amin’ny alalan’ny fifohana sy famoahana rivotra mirindra samihafa. Efa taonjato maro no nisiany.

Volasoa R.