Pejy manokana Samihafa

Fahasembanana tampoka Lehilahy jamba nanao izay fomba rehetra hiverenan’ny fahitany

Enina amby telopolo taona Rajaonarison Ramoso Solofonantenaina Abel ankehitriny. Manambady ary manan-janaka roa ity raim-pianakaviana monina eny nanisana ity. Anisan’ireo olona manana olana amin’ny fahitana izy satria lasa jamba nanomboka teo amin’ny fahavalo taonany. Nisy ny olana nosedrainy noho ny fahajambany saingy anisan’ireo mamiratra izy ankehitriny na tsy mahita aza satria afaka miasa tsara. Ho azy, tsy natao hangatahana fanampiana na hiankinan-doha amin’ny hafa hatrany ny fahasembanana fa niezaka hatrany izy nihoitra teo amin’ny fiainany. Nanana nofinofy maro izy, saingy nisy tamin’ireny ny tsy ho tanteraka mihitsy… Mbola mijoro hatrany nefa ny lehilahy ary vonona hanampy ireo sembana toa azy sy ny fiarahamonina iainany.

Nanana nofinofy aho ny mba hiverina hahita indray, saingy tsy ho tanteraka intsony izany. “Voalazan’ny mpitsabo fa tsy afaka ny hahita intsony aho”, hoy ny fanazavany. Teo amin’ny fahavalo taonany i Nantenaina no jamba tanteraka. Voatery nijanona tamin’ny fianarana nandritra ny taona maromaro izy vokatr’izany na dia niezaka nitsabo azy aza ireo ray aman-dreniny. Ny fihatahan’ny temimaso na “décollement de la rétine” no voalaza fa nahatonga azy tsy nahita intsony. « Efa nandramanay avokoa izay mety ho fitsaboana maso saingy tsy nety satria tamin’izany dia mbola sarotra ny fanaovana ny famindrana taova na ny « transplantation », izay fantatra fa hany hanasitrana ny masoko tamin’izany », hoy ny fanazavan’i Nantenaina.

Nanomboka teo dia niverina nianatra indray ny lehilahy ary anisan’ireo namiratra tokoa tamin’izany. Taorian’izay izy no nalefa tany amin’ny fianarana natokana ho an’ireo jamba, tany Antsirabe. Tany no nanombohany nifanerasera tamin’ny olona jamba.Fotoana nianarany ny fomba fanoratana manokana ho an’ny jamba na ny “Braille”. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana CEPE izy ny taona 1998 dia niverina taty Antananarivo niara-nianatra tamin’ireo ankizy mahiratra.

Sahirana

Anisan’ny nanampy betsaka an’i Nantenaina ny fifampikasohany tamin’ireo jamba mitovy aminy na nandritra ny fianarany teny amin’ny Sekolim-panjakana ho an’ny rehetra. “Nandritra ny fifaneraserako tamin’ny jamba mitovy amiko no nahalalako fa afaka mandeha irery ny jamba. Raha vao niandoha ny fahajambako dia efa nieritreritra aho fa tsy maintsy hiankin-doha amin’olona foana vao afaka manao zavatra na mandeha amin’ny toeran-kafa”, hoy Rajaonarisona Solofonantenaina. Voalaza fa noho ny fahalalany fa afaka mahaleo tena izy dia nanomboka nandeha irery na mbola kely aza, saingy nisy hatrany ny fahasahiranana satria irery nefa tsy mahita .

“Izaho no anisan’ny azo lazaina fa olona jamba kely indrindra nandeha irery. Maro anefa ny olana nosedraiko satria misy fotoana latsaka any anaty lavaka, any anaty rano sy ny sisa. Tsy sahy nivoaka ny trano intsony aho taorian’izay nandritra ny fotoana ela”, hoy ny fanampim-panazavany amim-pitsikiana ny fiainany ny fandehanany irery teo aloha.

Ankehitriny mbola misedra olana ihany izy amin’izay fivoahana irery ivelan’ny trano na ny toeram-piasana izay. “Rehefa miandry fiara fitaterana aho dia sahirana, indrindra rehefa handeha hiasa. Tsy maintsy miandry izay mpanampy ny mpamily miantsoantso ny toerana lalovany aho vao miditra ao anaty fiara”, hoy izy.

Fikirizana

Efa saika kivy ity raim-pianakaviana ity rehefa tsy nahita intsony. Noho ny fikirizana nananany anefa dia anisan’ny manana asa tsara izy ankehitriny. Taorian’ny taona nahazoana ny mari-pahaizana BEPC dia nampiana-tena izy ka nahazo ny mari-pahaizana Bakaloera ny taona 2002. Nanohy ny fianarany teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny lehilahy ary nahazo ny mari-pahaizana “Master” tamin’ny lalam-piofanana Toekarena. “ Efa teo am-panomanana ny fakàna ny mari-pahaizana “Diplomes d’études approfondies” na ny DEA aho no tsy maintsy nijanona. Efa miha sarotra ny fianarana ary mila fikarohana betsaka, toy ny famakiam-boky izay tsy ho vitako velively”, hoy ny fanampim-panazavany.

Nijanona tamin’ny fianarana izy nony avy eo ary nanomboka nitady asa. “Nianatra “reflexo-thérapie” ihany koa aho, saingy tsy tamin’izany aloha ny asako amin’izao fa ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ny vehivavy aho no miasa”, hoy i Nantenaina. Ankoatra ny fianarany, nambarany fa anisan’ny tombony ho azy ny fananany vady aman-janaka. “ Maro ireo jamba, indrindra ireo vehivavy, no tsy manam-bady, saingy izaho kosa tsy tao anatin’ izany”, hoy izy tamim-pitsikiana. Anisan’ny manana fikirizana ity raim-pianakaviana ity amin’ny fikarakarana ireto zanany, mba hahafahan’iretsy farany manakaiky azy, araka ny voalazany.

Teknolojia vaovao

Anisan’ireo olona jamba havanana tanteraka amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao i Nantenaina. Taorian’ny nahavitany ny fianarany teny amin’ny Anjerimanontolo, dia nanampy fahalalana informatika izy. “Nisy ny kajimirindra NVDA, izay nampianarin’ny namako ahy. Rehefa nahazo ny solosaina manokana hoy ahy aho dia namaky ny fanampiana tamin’ny “windows” dia nianatra, nampiasa tranonkalam-pifandraisana, afaka namaky boky. (…) Na tsy niverina nahita aza aho dia efa mitady hiverina hahita satria manampy ahy ny manodidina ahy rehetra ary efa afaka mamaky boky nefa jamba», hoy izy.

Tsy ny solosaina ihany fa mahafehy ny teknolojiam-pifandraisana amin’ny finday ihany koa ny tenany. Afaka miantso, manoratra sy mamaky hafatra fohy, eny fa hatramin’ ireny mandefa vola amin’ny finday ireny aza efa vitany.

Fifanampiana

Anisan’ireo olona tia manampy ny hafa i Nantenaina. Noho ny fifehazany zavatra betsaka amin’ny informatika dia manome fampianarana ireo jamba namany izy. Etsy an-danin’izany , anisan’ny fitaovana lafo vidy ho an’ny jamba ny tehana fotsy saingy nafoiny ho an’ireo namany hafa tsy manana izany fitaovana izany, izay niotra tao aminy. Ho azy, tsy sakana ny fahasembanana fa ny fanampiana sy ny manodidina, ny zava-misy eo amin’ny tontolo iainany ary ny fiaraha-monina no mahasembana ny olona iray.
“Azo lazaina fa foana ny maha sembana raha ma-nampy kokoa ny tontolo iainana. Raha olona mitondra seza mikorisa, ohatra, tsy tokony hipetraka amin’ny toerana be tohatra, tokony hisy feo foana hanampy ny jamba, sy ny maro hafa”, hoy ity raim-pianakaviana ity, miezaka mampahafantatra ny hafa ny zava-misy iainan’ireo olona manana fahasembanana. Toy ny olona rehetra dia mbola manana ny tanjona tratrariny eo amin’ny fiainana Rajaonarison Solofonantenaina. Maniry ny hirotsaka amin’ny sehatra politika ny tenany.