Kolontsaina

Ny ody ratsy sy ody tsara teo amin’ny Malagasy

Maro karazana ny aretina niantraika sy nanimba ny vatana ary niafara tamin’ny fahafatesana mihitsy aza tamin’ny fiarahamonina fahiny. Ninoan’ny Ntaolo ho tsy tongatonga ho azy ny aretina, fa na vokatry ny tsiny avy amin’ny natao, na noho ny mosavy nataon’ny hafa. Fomba fiteny fandrentsika ny hoe “ny tsiny tsy avy tsy marary”. Mbola fanazavana lava ihany koa raha ny lanjany sy ny vokadratsiny teo amin’ny Ntaolo.

Ifantohan’ny lahatsoratra anio kosa ny momba an’ireo « ody », izay nisy sokajiny roa niavaka tsara : ny « ody tsara » sy ny « ody ratsy ». Ny fanafana nanasitranana ny aretina no « ody tsara », raha ireo famelezana hahatonga fahavoazana amin’izay nokendrena indray no nofaritana ho « ody ratsy ».

Ny mpisikidy na ny mpimasy na ny ombiasy no noheverina tamin’izany fotoana izany fa nanana ny hasina manokana tamin’ny famantarana ny ody tsara nentina nanasitranana aretina. Mpanao fanafody  nanjary nanana heviny ratsy izy ireo noho ny « fahaizany zavatra » mikendry ny hamorika na hanao izay hamelezana olona. Mitovy amin’ny mpanao raokandro ihany anefa izy ireo fahiny.

Fanaovana fanafody

Ravinkazo, na sila-kazo, na fakan-kazo, na ahitra, na voan-java-maniry no nalaina sy natao fanafody. Vao maraim-be, tsy mbola vaky masoandro, no nakana azy ireny, ka naharaikitra ny anarany ho raokandro. Ninoan’ny Ntaolo fa mbola mitana tsara ny heriny mantsy ny ravina sy ny sila-kazo na ahitra sy ny voan-javatra samihafa rehefa tsy mbola notanihin’ny masoandro. Notehirizin’ny mpanao raokandro na mpisikidy na mpimasy na ombiasy ireny zavatra samihafa fanao ody na fanafody isan-karazany ho fanasitranana ireny.

Ankoatra ny zava-maniry, dia nampiasaina ho ody ihany koa ny zavatra sasany avy amin’ny biby toy ny taolana, ny hoditra, ny menaka,… Teo koa ny rano, araka ny karazany avy : rano an-doharano, rano an-tafofo, rano amparihy, rano an-driana…

Ireo zava-maniry na fakan-kazo, na hodi-kazo, na voan-javatra maro samihafa teo amin’ny tontolo manodidina azy ihany no nampiasain’ny Ntaolo nitsaboany ny tenany. Mazàna koa no mandranto lavitra any anivon’ala any izy ary antony niheverany ny aty ala ho masina sy itoeran’ny fanahy samihafa afaka mitondra fahasoavana ho azy. Ny mpisikidy na ny mpimasy na ny ombiasy no maka ireny zavatra fanao ody hanasitranana ireny, fa ny olon-tsotra tsy mahalala ireo karazany rehetra.

Fombafomba narahana

Nisy ny fepetra amampombafomba ary fihetsika antsipiriany nasaina narahin’ ny marary, satria niankina indrindra tamin’izany ny fahombiazan’ny fitsaboana natao aminy. Noheverina ho tafahoatra sy tsy araka ny tokony ho izy aza indraindray ireny fombafomba ireny, ka nahavelom-panontaniana ny amin’ny fahamarinam-potony na tsia, ka teo no nahaterahan’ilay fiteny hoe “sikidy mila voatsihary ka ny marary indray no ampandihizina”.

Tsy nandeha ho azy ny fampiasana ny ody satria tsy maintsy notombohan-tsikidy aloha ny zavatra rehetra nampiasaina, na inona na inona, mba hampandaitra amin’ny fanasitranana ny marary. Tsy maintsy ifadirana sy isoronana ihany koa ny fampiasana ny fanafody. Ny mpisikidy hatrany no tompomarika amin’ny raharaha rehetra, noho izy heverina ho manana ny fahalalana manokana momba izany.

Neken’ny Ntaolo kosa ny tsy fisian’ny ody faty fa fialana nenina no atao rehefa am-bavahaona ny olona notsaboina.

Santionana « ody tsara »

Santionany vitsivitsy amin’ireo fanafody fanasitranan’ny Ntaolo tamin’ireo aretina samihafa ary tsy mbola lefy aza hatramin’izao no ampahafantarina antsika.

Ny Ravinonoka nototoina, notanehina nasian-tsira hazo ary sotroina maraina sy hariva alohan’ny hatory no fanafodin’ny Sohika na ny kitratraina, aretina mampanempotsempotra sy mahakely ny aina.

Ny ravina sy ny fakan’ ny  Hazomafana  fantantsika amin’ny anarana hoe  Mandravasarotra,  izay tanehina sy handroana no fanafodin’ ny Nendra, izay tena aretindratsy tokoa fa manimba ny endrika.

Ny  Voafotsy  sy Fangotsohana, biby kely fahita amin’ny voafotsy mihinana ny raviny, miaraka tanehina avy eo ampisotroina sy ampandroana ny mararin’ ny Hotsohotso, na aretin’ny taolana.

Ny ravin’ny Manavodrevo na Mabilazo, ny Hazomafana, ny Voasarikely na Manalasimba, ny Nifinakanga  na  Marivomitambelona, ny Satrikoazamaratra, ny  Fotsimbarinakoholahy na ny davy na pibary any amin’ny Betsileo kosa no samy ody fivalanana rehefa tanehina.

Mbola maro izy ireo no ampiasaina mandrak’ankehitriny. Ireny ravina, hazo, sy ny maro hafa ireny amin’ny ankapobeny no nakana singa sy nadika ara-tsimika hanamboarana an’ireo fanafody isan-karazany ampiasaina hitsaboana. Miverina mahazo laka ihany  koa anefa ny fampiasana raokandro, amin’ izao fotoana izao, indrindra amin’ity fandalovan’ny valanaretina mbola tsy ahitam-panafana ity. Eo ny Ravintsara , ny Kininim-potsy, ny Romba, ny ravim-boasary, sy ireo efa voahodina sy voafangaro toy ny CVO, ny CVO + ny ED1 ny « Baume Fosa » sy ny maro hafa…. Ny fanombohan-tsikidy alohan’ny hampiasana azy ihany, angaha, no efa toa natelin’ny fotoana ary vitsy sisa no manao an’izany…

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao