Kolontsaina

IFM Analakely Voatazona ny findramam-boky

Nanapa-kevitra hampiato ny fandaharam-potoana arakolontsaina rehetra amin’ity volana avrily ity, mandra-pivoatran’ ny toe-draharaha ara-pahasalamana iainana ankehitriny, ny mpitantana ny Institut Français (IFM) Analakely. Na eo aza izany tsy miato kosa ny « Biblio’Drive » fa mitohy ary ampirisihina hampiasa azy ny mpindrana boky rehetra mba hampihenana ny fifampikasohana. Hiverina amin’izay fotoana voatondron’ny Fanjakana hiverenana amin’ny fiainana mahazatra ny fandaharam-potoana ara-kolontsaina rehetra. Na izany aza, homena fahafaham-po manokana ireo mpamaky boky izay tia mankeny amin’ny ivon-toerana saingy anaty fotoana voafetra fotsiny ihany. Miezaka manohy ny tolotra ho an’ny mpikambana ao aminy hatrany ny IFM Analakely na eo aza ny toe-draharaha ara-pahasalamana. Misokatra sy mandray an’ireo mpikambana vaovao na ireo mpindrana boky hatrany izy ireo ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Manentana hatrany anefa ny tompon’ andraikitra ny amin’ny fampiasana ny tambajotran-tserasera sosialy, ny aterineto, ny mailaka ary ny antso am-pinday hanamafisana ny fiarovana ny tsirairay.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao