Kolontsaina

Fifaninanana haisoratra Mitohy ny fisafidianana amin’ny “La Plume d’or”

Mandray ny andiany manaraka indray ny fifaninanana lahatsoratra « La plume d’or ». Voafaritra hatramin’ny 17 marsa  teo no fara fandraisana anjara amin’izany. Navitrika ny fandraisana anjaran’ny Malagasy raha ny fanambaràn’ny mpikarakara, ka efa nisy ny fanolorana loka ho an’ireo mpifaninana telo mendrika isaky ny Alliance Française  manerana ny Nosy, izay mbola miatrika ny dingana iombonana, amin’izao fotoana izao. Nalefa any amin’ny foiben’ny fikambanana mpiaro ny teny frantsay DLF ny lahatsoratra mifaninana. Ho fantatra amin’ny 15 jona kosa ny valiny.  Fivahinianana any Paris, Frantsa, no loka ho an’ny laharana voalohany. Na izany aza hahazo loka avokoa ireo mendrika indrindra sivy amby sivy folo. Amin’ny volana marsa 2022 no hanainga ho any Paris izay handrombaka ny amboara. Efa maro ny Malagasy nandray anjara tamin’ny « La plume d’or ».  Isan’ny sehatra iray nahafahan’ireo mpitia literatiora sy manana asampamoronana miavaka, nampahafantatra ny kantony ity fifaninanana ity. Ny fikambanana mpiaro ny teny frantsay DLF no mikarakara azy. Izay olona mizaka zom-pirenena hafa ankoatra ny Frantsay ihany no afaka mandray anjara. Tamin’ny taona 2019, dia saika nandray anjara avokoa ireo Alliance française manerana ny Nosy, toy ny tany Antsirabe, Mahajanga, Toamasina, Antananarivo, Taolagnaro ary Ambositra. Tsy anavahana karazana asam-pamoronana sy lohahevitra saingy kosa miorina manodidina ny teny frantsay ary soratana amin’ito teny io ihany koa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra