Tranga samihafa

Voina teny am-pambolen-kazo Namangy ny havan’ilay lehilahy maty tampoka ny Zandarimaria

Tonga nampionona ny havan-dRandrianantohanina Jean François Anicet, teny Anjanatsimiova-Ampitatafika, ny
fianakaviamben’ny Zandarimaria, omaly. Tsy misy ifan­draisany amin’ny zandarimaria io lehilahy miasa ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola namoy ny ainy io.

“Noho izy maty tamin’ny firaisankina tamin’ny famitàna adidy masina ho an’ny taranaka sy ny tanindrazana tamin’ny fambolen-kazo, tany Ankazobe, afak’omaly, no anton’izao fanehoana fiaraha-miory izao”, hoy ireo lehiben’ny Zandarimaria. Tratry ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana tampoka io lehilahy io tany am-pambolen-kazo. Niezaka nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola saingy tsy tana ny ainy. Nitondra ny teny fampa­herezana an’ireo fianakaviany ny jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria.