Tranga samihafa

Fahafatesana teny 67ha avaratra Nogadraina ilay reny voarohirohy ho namono ny zanany roa

Nentina teo anatrehan’ny Fampano­avana, omaly, ny raharaha momba ny fahafatesana zaza roa, mpirahavavy iray tampo, niseho tamin’ny sabotsy lasa teo. Voatazona am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny renin’ireo zaza ireo. Izy no voatondro ho namono azy roa vavy.
“Nilaza ilay vehivavy fa tsy tiany hipetraka miaraka amin’ny rainy intsony ny zanany roa vavy ka izany no antony namonoany azy ireo. Namono tena izy, taorian’ izay, saingy avotra ihany ny ainy”, hoy ny mpanao famotorana.

Nalain’io vehivavy io tany amin’ny rainy, mipetraka eny Alakamisy Anjanamasina, ireo zazavavikely roa, fito sy folo taona, tamin’ny zoma lasa teo. Nentina tao amina trano fandriam-bahiny teny amin’ny 67 Ha Avaratra izy ireo.
“Nomen’ny reniny fana­fody famonoana biby iray tavoahangy kely ilay zaza, folo taona. Nokendainy tamin’ ny lamba kosa ilay fito taona. Rehefa maty ireo zaza ireo no nisotro toaka nasiany fana­fody ihany koa ity vehivavy.

Tafafoha izy, ny maraina, sady nalemilemy ka nila vonjy tamin’ny tompon’ny hotely hitondra azy any amin’ny hopitaly”, hoy ihany ny polisy nanao ny fanadihadiana.

Nosamborin’ny polisy, rehefa avy notsaboina teny amin’ny hopitaly, ity vehivavy voatondro ho namono ny zanany ity. Natao famotorana izy ka izao nalefa any am-ponja izao.