Fanatanjahantena

Baolina kitra – « Mondial 2022 » Mafimafy ny miandry ny Barea amin’ny antsapaka, anio

Hotanterahina any Le Caire (Ejipta),anio amin’ny 8 ora alina, ny antsapaka hizaràna ho vondrona folo an’ireo firenena afrikana efapolo hiatrika ny dingan’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 2022 taranja baolina kitra hatao any Qatar, hoan’ny faritr’i Afrika. Saika mizarazara any anatin’ny satroka efatra, arakaraka ny filaharana navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIFA), tamin’ny volan desambra 2019, ireo firenena goavana eo amin’ny taranjaka mety hisian’ny vondron’ny fahafatesana maromaro. Tsy ho mora ny miandry ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea, anio, satria any amin’ny satroka fahatelo no misy azy.

Mitovy herijika
Amin’ny alalan’ny antsapaka, anio, no hahafahana manaparitaka an’ireo firenena efatra ambin’ny folo tafita tamin’ny fihodinana voalo-hany (Etiopia, Zimbaboe, Namibia, Tanzania, Djibouti, Malawi, Angola, Liberia, Mozambika, Guinée-Bissau, Guinée Equatoriale, Togo, Soudan ary Rwanda). Tafiditraho isan’ireo firenena enina amby roapolo tsara toerana kosa i Madagasikara ka napetraky ny Kaonfederasiona afrikana ao anatin’ny satroka fahatelo. Tsy manala antsika ao anatin’ireo firenena mety handova vondrona henjana anefa izany. Saika ao anatin’ny satroka voalohany avokoa ireo firenen-dehibe efa niatrika ny Mondial: Kamerona (7), Nizeria (6), Maraoka sy Tonizia (5), Alzeria (4), Ghana sy Ejipta (3) ary Sénégal (2). Misy amin’ireo efa nandray anjara ihany koa anefa no any amin’ny satroka hafa, toa an’i Afrika Atsimo sy Côte d’Ivoire (3) ao amin’ny satroka faharoa. Any amin’ny satroka fahefatra kosa no misy an’i Angola sy Togo, samy efa niatrika Mondial indray mandeha avy. Saika firenena mbola tsy tafita tany amin’ny dingan’ny famaranan’ny Mondial kosa ireo ao amin’ny satroka fahatelo misy an’i Madagasikara, Maoritania, Libya, Mozambika, Kenya, Centrafrique, Zimbaboe, Nizera, Namibia ary Guinée-Bissau. Na izany aza anefa dia azo heverina ho firenena tsy tokony hoambaniana avokoa izy ireo. “Mitovy avokoa ny herijika matoa tafita amin’ny lalam-bon drona. Tsy tokony hisy firenena heverina ho ambany na tsinontsinoavina ireo mpandray anjara rehetra”, hoy i Patrick Randriambololonana i Tipeh, teknisiana malagasy. Ireo firenena lohalaharana isam-bondrona, miisa folo, no miatrika ny dingana farany hahafahana mamaritra an’ireo ekipa dimy hiatrika ny Mondial 2022, ho an’i Afrika