Sosialy

TOETR’ANDRO Lasa rivo-doza «Cilida» ilay andro ratsy ao avaratra-atsinanan’ny Nosy

Feno ny fepetra maha rivo-doza ilay andro ratsy niforona ao avaratra-atsinanan’ny Nosy, omaly maraina. Cilida ny anarana nomena ity rivo-doza ity.

Tany amin’ny 1 240 km avaratra-atsinanan’ Antalaha no nisy ny ivony, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Eo amin’ny 65km isan’ora ny rivotra miaraka aminy ary mahatratra ny 90km isan’ora ny tafiotra manodidina ny foibeny. Mikisaka mianatsimo somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 7km isan’ora ihany koa. Hitombo hery hatrany izy ary ao anatin’ny telo andro ho avy saingy tsy hikasika ny morontsirak’i Mada- gasikara, raha ny vinavinan’ ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Noho izany, hatreto mbola tsy misy ny filazana loza mikasika azy ity.

Mbola ny Alizay hatrany no mamaritra ny toetry ny andro, amin’ izao fotoana izao.Ho an’ny eto afovoan-tany dia somary hanga-tsiatsiaka ny maraina saingy ho maina hatrany ny andro. Hisitraka orana ny any amin’ny faritra avaratry ny Nosy, ao Sava, Analanjirofo ary Toamasina. Arahina erika manify kosa ny any Alaotra Mangoro ary hifandimby ny rahona sy ny masoandro amin’ny faritra sisa. Hanorana arahina kotroka ny any amin’ny Faritra Sofia, Diana, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Atsimo Andrefana ary Anosy sy Androy. Tsy misy fiovana kosa ny mari-pana satria mbola manodidina ny 15°C hatramin’ny 25 °C ny mari-pana ambany raha 26°C hatramin’ny 34 °C ny ambony indrindra.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra