Faritra

LOZA AN-DRANOMASINA Namoy ny ainy ny mpanamorin’ilay vedety rendrika

Rendrika an-dranomasina, tany Katsepy, distrikan’i Mitsinjo Mahajanga, ny vedety iray na irony lakana haingam-pandeha irony, ny alin’ny alakamisy 13 desambra lasa teo. Namoy ny ainy natelin’ny ranomasina ny lehilahy iray mpanamory azy. Ny ampitso (ndrl : zoma) vao hita ny vatana mangatsiakany.

Ny mpanamory azy irery no niaraka tamin’ity lakana haingam-pandeha ity. Tsy voafehiny ny familiana nony tonga lavidavitra. Izany no nahatonga ny lakana nivadika sy rendrika tao anaty rano. Nisy nahatazana ny fivadihana. Teo ihany dia niroso tamin’ny fitadiavana an’ilay mpanamory tao anaty rano ny namany sy ny olona teo an-tanàna. Nitohy ny fikarohana, ny ampitso tontolo.
Ny alin’ny zoma tokony ho tamin’ny sivy ora vao hita tao anaty rano tsy lavitra ny faritra nisehoan’ny loza ny razana. Nokarakaraina dia natolotra ny fianakaviana izany, avy eo.