Kolontsaina

FESTIVAL LES CRÉATIVES Nahazo ny loka voalohany i Honorat Fou Hehy sy ny Gass Creative

Sehatra manome lanja ny famoronana amina tontolo samihafa. Fantatra fa lasan’ny ekipa malagasy ny laharana voalohany teo amin’ny sehatry ny dokam-barotra fandefa amina fahitalavitra, tao anatin’ilay hetsika “Festival Les Créatives” 2018, andiany fahefatra ambin’ny folo.

Famokarana fohy izay novolavolain’ny Gass Creative, niaraka tamin’i Honorah, mpanao hatsikana malagasy manana ny lazany ao amin’ny tarika Fou Hehy. Mampahafantatra vokatra vaovaon’ny Salto io famoronana io, ahitana ny fandraisana anjaran’i Honorat sy tovovavy iray. Ireo andiana sary, maneho an’i Honorat amin’ny endrika isan-karazany sady tsy mbola fahita, izay mandrafitra ny rakitsary no tena mampiavaka ity sanganasan’ny Gass Créative ity. Anisan’ny tazana ao, ohatra, i Honorat miseho amin’ny endrika ramatoabe niaina tany amin’ny Fahagola tany, i Honorat zandary tamin’ny vanim-potoanan’ny Repoblika voalohany…raha homena lohateny ireo andiana sary ireo dia azo antsoina hoe “Mama Norà Be, Dadabe Honoré sy Bebe Honorine ary ny taranany”. Marihina fa i Herizo Bashy Ramilijaonina sy Mbola no nanatontosa sy nampiaina ny sary raha toa ka i Harenaholisoa Ramiadanarivo no nampihaingo, nanao ny taovolo ary nikarakara tarehin’i Honorat. Tsiahivina fa hatramin’ny nivoahan’ity dokam-barotra ity, ny talata teo, dia tsy nitsahatra nihodina sy niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy “Facebook” ireo karazana sary maneho an’ity mpanao hatsikana kalazalahy ity ireo. Heverina fa anisan’ny tosika lehibe nahazoana izao fahaombiazana izao fankafizan’ireo mpikirakira “internet” maro.