Raharaham-pirenena

FANONDRANANA ANDRAMENA Nosamborin’ny Tafika ny sambo « Flying »

Ela nitoratorahana. Tra- tehaky ny Tafika malagasy ny sambo “Flying”, tany amin’ny ilan’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara. Araka ny voalazan’ireo manampahefana, notarihin’ ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, dia ahiana ho mpanondrana an-tsokosoko Andramena io sambo io. Nisy ny baiko ny hisamborana azy ka izao tra-tehaka izao.

Nahitsy ny jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, minisitry ny Fiarovam-pirenena, teny Mahazoarivo, nilaza fa “efa voatonontonona tamin’ny raharaha fanondranana andramena hatramin’ny volana janoary 2015 io sambo io ary Ming Feng no anarany tamin’izany. Niova ho Flying izy, taty aoriana.”

Na ny Praiminisitra, na ny minisitry ny Fiarovam-pirenena dia samy tsy nilaza ny antsipiriany momba ireo tantsambo na izay zavatra hita tao anatin’ilay sambo nandritra izao nahatrarana azy izao. Ny hany fantatra dia ny hoe hotarihina mankao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ilay sambo mba hahafahana manatanteraka ireo dingana arahina manoloana ny heloka an-dranomasina.