Sosialy Tapatapany

Fanapoizinana ara-tsakafo

Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny fahadiovana ara-tsakafo ny minisiteran’ ny Fahasalamana anio. Voalaza fa maro be sy miroborobo ny famokarana sy fivarotana sakafo eto amintsika amin’izao ankatoky ny fety izao ary betsaka ihany koa ireo sakafo lany daty amidy eny an-tsena. Nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisitera fa efa nihena ny tahan’ny fanapoizinana ara-
tsakafo ho an’ny taona 2018 raha noharina tamin’ny taon-dasa. Manodidina ny fitopolo amby zato izany raha avo roa heny amin’izay ny isa tamin’ny taona 2017.