Fanatanjahantena

BASKET-BALL CCCOI Nomen’Ambohitsorohitra folo tapitrisa ariary ny Cospn

Niaka-dapa ireo tompondakan’i Afrika Faritra fahafito. Noraisin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ireo mpilalaon’ny Pôlisim-pirenena (Cospn) taranja basket-ball avy nandrombaka ny anaram-boninahitra tany Seychelles, tamin’ny 5 – 11 desambra lasa teo. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary, ankoatra ny nomen’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (10 tapitrisa ariary) sy ny Federasiona malagasin’ny taranja basket- ball (3 tapitrisa ariary), no nomen’ny fanjakana malagasy ho azy ireo.

Nambaran’ny Filoha mpisolo toerana fa natokana indrindra ho fanampiana azy ireo amin’ny saran-dalana hiatrehana ny andiany voalohany amin’ny « Afroleague » izany. Klioba enina ambin’ny folo mendrika aty Afrika, nivoaka tamin’ny fifaninanam-paritra enina teto amin’ny Kaontinanta, no hiatrika izany. Hotanterahina amin’ny tapatapaky ny volana janoary ho avy izao ny fihodinana voalohany amin’izany fifaninanana izany. Nozaraina ho vondrona efatra misy ekipa efatra ireo mpandray anjara. Ireo valo tsara toerana no hiatrika ny dingana manaraka amin’ny lalao mandroso sy miverina. Amin’ny fiafaran’ny fifaninanana dia hiatrika ny “Final four”, amin’ny volana avrily ireo ekipa efatra voalohany.