Raharaham-pirenena Tapatapany

Hiasa alina

Hodinihina amin’ny asam-baomiera eny Tsimbazaza manomboka anio ilay tolo-dalàna mifehy ny mpanohitra sy ny fanoherana. Tapitra amin’ny zoma ny roa ambin’ny folo andro voafaritry ny Lalàmpanorenana ho faharetan’ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny parlemanta. Hafana ny adihevitra satria samy tsy hisy hanaiky holembenana ireo mpifanandrina amin’ity tolo-dalàna ity. Efa miomana ny hiasa alina ireo solombavambahoaka araka ny voasoratra ao amin’ireo lahadinika eny Tsimbazaza. Mbola ho henjana ihany koa ny ady hevitra eny amin’ny Antenimierandoholona

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra