Tranga samihafa

Zava-mahadomelina Paraky gasy fitonjato kilao sarona teny Antohomadinika

Nampiahiahy ny entana marobe noentin’ny lehilahy roa teny amin’ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy teny Antohomadinika, afak’omaly maraina, ka nosavain’ny polisy. Tra-tehaka ny paraky gasy milanja 720 kilao natao tao anaty gony roa ambin’ny folo. Tsy nisy taratasy fahazoan-dalana ireo entana ireo teny amin’izy roa lahy, izay nosamborina noentina nalaina am-bavany.

«Tamin’ny roa maraina no nahatrarana an’ireo olona ireo, rehefa naheno vaovao mialoha tamin’olon-tsotra ny polisy. Avy any amin’iny faritra Ambatondrazaka iny izy ireo no mamboly paraky hoentina hamidy any an-toeran-kafa. Nokasaina hotsinjaraina hamidy any Mahajanga ireto fitonjato kilao ireto », hoy ny polisy.