Tapatapany Tranga samihafa

Raharaha fitsaram- bahoaka

Manohy ny fanadihadiana tamin’ny raharaha vono olona niendrika fitsaram-bahoaka nahafatesana lehilahy roa, niseho tany Tanambao Daoud distrikan’i Sambava, tamin’ny talata maraina, ny zandary. Andrasana ny tatitra avy amin’ny mpanao famotorana nalefa any an-toerana.