Tranga samihafa

Hosoka Olona telo naiditra am-ponja fa voarohirohy amin’ny vola sandoka

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, omaly, ny telo lahy tamin’ireo dimy lahy tra-tehaky ny zandarimaria eny Ambohimangakely niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 1 880 000 ariary, tamin’ny 12 jona lasa teo. Voampanga ho tena ati-doha nikotrika ny fanaovana vola sandoka 20 000 ariary mitambatra ireo telo lahy naiditra am-ponja ireo, araka ny loharanom-baovao.

“Nandeha nametraka vola roa alina ariary miisa roa teo amin’ny toerana fanakalozana vola amin’ny alalan’ny finday teny Ankadilalana-Ambohimangakely ireo roa lahy, tamin’ny 12 jona lasa teo. Tsikaritry ny mpiasa teo amin’ilay toerana fandrotsahana sy fakàna vola amin’ny finday fa sandoka ireo vola roa alina ariary roa ireo, ka niantso zandary avy hatrany izy. Noraisim-potsiny izy roa lahy tamin’izay niaraka tamin’ny môtô nentin’izy ireo”, hoy ny fitantaran’ireo mpanao famotorana.

Noentina teny amin’ny biraon’ny zandarimaria izy roa lahy. Rehefa nosavaina ny môtô noentin’izy ireo dia mbola nahitana ireo vola sandoka marobe ireo, hoy hatrany ny loharanom-baovao.