Tapatapany Tranga samihafa

Halatra jirofo

Fantatra fa karohin’ny polisy ny olona iray tompon’andrai­kitra ao amin’ilay orinasa mpikirakira jirofo voaroba tany Toamasina, tamin’ny herinandro lasa teo. Ny famotorana ny mpamilin’ ny kamiao nitondrana ny jirofo halatra milanja valo taonina no nahafantarana an’io tompon’andraikitra io.