Tranga samihafa

Fihoaram-pefy Zandary mamo nitifitra olona tsy nahy

Naiditra fonja kely ny zandary kilasy faharoa nandratra olona tamin’ny tifitra voalaza fa “tsy nahy”, tany MorafenoArivonimamo, afak’omaly hariva. Nitsoaka izy taorian’ny voina ary niatrika famotorana avy hatrany rehefa tratra ihany, nanomboka omaly.

Nampahafantarin’ny Zandarimaria any Arivonimamo fa « noho ny hamamoana no nahatonga ny loza. Naratra ilay olona voatifitra. Noraisin’ny zandary any an-toerana manontolo ny lany rehetra momba ny fitsaboana ny naratra. Hatolotra ny Fitsarana any Arivonimamo kosa ny nahavanon-doza aorian’ny fahavitan’ny famotorana ».

Handraisan’ny foibe fibaikoana ny Zandarimaria fepetra hentitra ihany koa io mpitandro filaminana io, dia ny sazy ara-miaramila sy ny fanonerana ny bala lany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao