Fanatanjahantena

Basketball – «Africa League» Mihatery ny lalan’ny zandary malagasy any Rwanda

Ratsy toerana ny ekipan’ ny Zandarimariam-pirenena taranja basket ball, amin’ny fifaninanana “Basketball Africa League” andiany voalohany, tanterahina any Rwanda. Faharesena avokoa no nobaben’ity solontena malagasy ity, tamin’ireo lalao roa efa vitany hatramin’izao fotoana izao. Niondrika teo anatrehan’ny Patriots Rwanda, tamin’ny isa 78 noho 72, ny zandary malagasy omaly, na dia efa nitarika tamin’ny isa 42 noho 44 aza teo amin’ny fotoam-pialan-tsasatra. Mbola nialoha lalana ny ekipan’ny Patriots hatrany ny ekipandry Elly sy ny namany teo amin’ny fiafaran’ny ampahefa-potoana fahatelo (53 – 60). Nihagoragora anefa ny fiarovantenan’ny Malagasy tany amin’ny ampahefa-potoana farany ka nanaraotan’ny mpilalaon’ny Patriots. Niha maivana nanaraka izany koa ny tanjaky ny fanafihana noentin’ny zandary, ka tsy nahafahana nanohitra an-dry zareo Rwandey. Teo amin’ny ampahefa-potoana fahaefatra no nioitra tampoka ny mpampiantrano ka nampivoaka azy ireo ho mpandresy.

Raha ny lalao, omaly, nampiseho endri-dalao nahafinaritra ny ekipan’ny zandary nandritra ny ampahefa-potoana roa volaohany. Nahavita nihazona sy namono baolina matetika ry Elly sy Kiady teo anatrehan’ny mpifanandrina. Raha ny vokatra azon’izy ireo, taorian’ny andro faharoa, dia tombanana ho lalao aro voninahitra, izay hihaonany amin’ny ekipan’ny Rivers Hoopers avy any Nizeria, sisa ny an’ny GNBC, amin’ny alahady 23 mey ho avy izao. Tamin’ny andro voalohany dia montsana tamin’ny isa 113 noho 66 ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, nanoloana ny US Monastir avy any Tonizia.

Tsiahivina fa ireo ekipa roa voalohany sy ny laharana fahatelo mendrika indrindra amin’ireo vondrona telo no hiakatra amin’ny dingan’ny ampahaefa-dalana hotanterahina, amin’ny 25 sy 26 mey 2021.