Tranga samihafa

Tsy fanaovana aron-tava Mpiasana minisitera naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja any Morondava ny lehilahy iray tsy nanao aron-tava sady naniratsira mpitandro filaminana, afak’omaly. Mpiasan’ny minisitera lehibe iray io lehilahy io.

Tra-tehaka fanindroany tsy nanao aron-tava izy. « Lasa faniratsirana mpitandro filaminana indray no nataony rehefa nasaina nametaka ny aron-tavany », hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

« Nasaina namafa lalana izy taorian’ny fahitana azy tsy nanao arontava fanindroany, tamin’ny 17 mey lasa teo saingy faniratsirana an’ireo mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ ny ny teny tsy voahevitra no nasetriny. Tamin’ny 10 mey izy no efa tratra voalohany ary nampitandremina dia nalefa nandeha », hoy ireo mpitandro filaminana any Morondava.

Nosamborina avy hatrany ny lehilahy ary nalaina am-bavany. Natolotra ny Fitsarana izy, afak’ omaly, dia izao naiditra am-ponja vonjimaika izao, afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany.