Tranga samihafa

Fanoherana Nizeriana nifampitolona tamin’ny polisy

Nanohitra ny fampanaovana azy aron-tava hatramin’ny farany ny lehilahy iray, Nizeriana, teny Besarety, omaly antoandro. Nanohitra ireo polisy izay nahatsikaritra an’io tsy fanajana fepetra io izy.

Nariany ny aron-tava nomena azy. Nifampitoloman’ireo polisy ilay lehilahy, taorian’izay. Naharitra minitra maromaro ny fifampitolomana vao voafehy izy.

Niafara tamin’ny fisamborana ny zava-nisy teny Besarety, omaly.

Manara-maso ny fampiharana ny fepetra ho fiarovana ny valanaretina coronavirus ireo polisy. Tsikaritra ny lehilahy iray tsy manao aron-tava. Nasain’izy ireo napetraka ny aron-tava sady nosaziana hamafa lalana iry Nizeriana saingy nanohitra hatrany izy. Nentina teny amin’ny biraon’ny Kaomisaria foiben’ny polisy eny Tsaralalàna izy, taorian’izay.