Tranga samihafa

Fifanenjehana Tratran’ny fokonolona ny lehilahy nitondra môtô halatra

Voalaza fa môtô halatra no noentin’ity lehilahy iray tany Anjoma Toamasina, omaly maraina. Voasambotra izy rehefa nifanenjehan’ny fokonolona.

Natolotra ny mpitandro filaminana io olona io, taorian’izay. «Nisy nangalatra tao Anjoma tamin’ny iray volana lasa io kodiaran-droa io. Taitra ny olona tamin’ny fahitana an’ilay môtô noentina lehilahy iray teny an-toerana ihany. Nirohotra nanenjika ny fokonolona », hoy ny loharanom-baovao iray.

Tonga teny Anjoma ny polisy avy amin’ny Hery vonjitaitran’ny Polisim-pirenena (Fip) naka an’ilay voarohirohy.

Ankoatra an’io lehilahy voasambotra tamina môtô halatra io dia nahatratra olona vitsivitsy voasaringotra amina vaky trano sy fivarotana entana halatra ihany koa ny polisin’ny Fip Toamasina, omaly. Sarona ny karazana entana toy ny vata fahitalavitra. Mitohy ny famotorana atao azy ireo.