Tapatapany Tranga samihafa

Fanafihan-dahalo

Nisy fanafihan-dahalo, tany Amboavory Amparafaravola, ny herinandro lasa teo. Omby am-polony no voaroba. Nisy olona dimy teo an-tanàna voalaza fa naratra voatifitra. Nanara-dia ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Efa nisy ny omby tafaverina. Dahalo iray lavon’ny zandary.