Samihafa

Zoro fahasalamana Ny momba ireo karazana lohamenaka fanafody

Miha maro be ny olona mampiasa ny lohamenaka azo avy amin’ny zava-maniry na “Huiles essentielles” hatramin’ny fotoana niadiana ny valanaretina Covid-19. Ahitana karazany samihafa ny lohamenaka, izay miparitaka sy amidy ankehitriny ka ilàna fitandremana fatratra amin’ny fampiasana azy. « Am-piheverana foana no ampiasana an’ireny lohamenaka ireny », hoy ny Dr Rakotoarivony Manitra, talen’ny fampivoarana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamambahoaka.

Fiasany

Isan-karazany tokoa ireo lohamenaka azo avy amin’ ny zava-maniry azo entina hisorohana na hitsaboana mihitsy ny Covid-19. Malaza ho mamono ny tsimokaretina na viriosy izy, araka ny nambaran’ireo mpamokatra azy. Nolazain’ny Dr Rakotoarivony Manitra fa manana ny asany be dia be ireny lohamenaka ireny. “Arakaraka ny singa ao anatiny no tena fiasany. Raha hiteny isika, ohatra, ny CVO, dia misy ny Artemizia ao anatiny, izay manana ny asany “anti-virale”, “anti-bactérienne”, “anti-inflammatoire””, araka ny fanampim-panazavany.

Famerana

Misy fetrany ny fampiasana ny lohamenaka. Amin’ny ankapobeny, dia vokatra avy amina ravina 100kg no hahazoana iray tavoahangy kely amin’izy ireo. “Raha manao intelo mitete na “3 gouttes” indray mihinana, ohatra, dia mety ravina eraky ny sobika no mifandraika amin’izany ka izany no hitandremana amin’ny fampiasana azy. Ny olona mieritreritra foana hoe kely ka mampitombo ny asany nefa lasa mamono ny voa sy aty izy amin’izay fotoana izay”, hoy hatrany ity mpitsabo ity.

Mitovy daholo kosa ny asany na tsy mitovy aza ny fampiasana azy, toy ny hoe sotroina, evohina, ahosotra amin’ny vatana. Notsindrian’ ny Dr Rakotoarivony Manitra fa samy miditra any amin’ny vatana avokoa ny lohamenaka.

Fomba fampiasana azy

Anjaran’ny mpamokatra no manome ny fatra tena izy, izany hoe tokony hisy ny fampahafantarana ny fampiasa azy na “notice” miaraka amin’ilay vokatra. Tokony hita ao ny hoe: firy mitete na « goutte » no atao arakaraka ny sokajin’olona. Amin’ny maraina , antoandro, hariva sa ny maraina ihany.

“Izay no maha fanefitra nentin-drazana nohatsaraina na « remède traditionnelle améliorée » azy. Fantatra ny fomba fihinanana azy sy ny taharo ao anatiny. Eo ihany koa ny fotoana hihinanana azy sy izay fanafody mety hampiarahana aminy satria raha misy izany dia mety mampiakatra ny fatrany na koa mamono ny heriny”, araka ny fanampim-panazavan’ny Dr Rakotoarivony Manitra hatrany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao