Tapatapany

Fitarainana momba ny Covid-19

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly maraina, ilay pejy mitondra ny anarana « Doléances.covmada » ao amin’ny tambajotra Facebook. Araka ny nampahafantaran’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, dia sehatra handraisana ny fitarainana momba an’ireo lesoka amin’ny fitsaboana ny valanaretina Covid-19 io pejy io. Ahitana mpikambana efajato latsaka kely sahady ao amin’ny « Doléances.covmada » na dia mbola vitsy ihany aza ny fitarainana voaray tao, omaly.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra