Sosialy Tapatapany

Vitsy ny olona nisafidy hivoaka an’Antananarivo

Nangina. Tsy toy ny isan-taona ny fetin’ny Paska raha ho an’ireo mpitatitra manokana. Nihena ny isan’ireo mpandeha mivoaka hiala sasatra any amin’ny faritany. “Hatramin’izao mbola tsy dia nisy ny olona nividy tapakila raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mety ilay vidim-piainana amin’izao mihitsy no mahatonga ny olona tsy dia mandeha miala sasatra intsony”, hoy ny tompon’andrakitry ny kaoperativa iray, tetsy Ambodivona. Nitazona ny saran-dalana kosa ny ankamaroan’ireo kaoperativa na dia fotoanan’ny fety aza izao.

Saika olona mamonjy fodiana ny ankamaroan’ireo mivoaka an’Antananarivo amin’izao fotoana izao. “Handeha hody any Toamasina hankalaza ny fetin’ny Paska miaraka amin’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana izahay. Araraotina ny fisian’ny fialan-tsasatra kely mba hihaonana amin’izy ireo indray”, raha ny nambaran’i Vero, monina any Toamasina fa mandranto fianarana eto Antananarivo. Mila manao famandrihan-toerana mialoha kosa ireo mikasa ny hiverina eto Antananarvo.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra