Sosialy Tapatapany

Miaka-bidy isan-taona ny akoho amam-borona

Lafo ny vidin’ny akoho amam-borona eny an-tsena amin’ izao ankatoky ny fety izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa noho ny fiakaran’ny vidin’ny sakafom-biby no mahatonga azy ireo ho lafo. “Efa ela no niakatra ny vidin’ny vorona. Mampihena ny isan’ireo mpividy izany fiakarana izany”, hoy ny mpivarotra iray etsy Andravoahangy.

Manodidina ny enina alina ariary hatramin’ny iray hetsy ny vidin’ny vorontsiloza iray. Manomboka amin’ny dimy arivo sy iray alina ariary kosa ny ny gana sy ny akoho. Avy any Mangamila no alaina ireo gana raha ny fanazavan’ity mpivarotra ity hatrany. Noho ny havitsian’ireo mpividy anefa dia zara raha mahaverina mason-karena izy ireo na dia efa nanomboka ny talata lasa teo aza no nivarotra. “Tamin’ny taon-dasa mbola azo lazaina fa nandeha ihany ny tsenan’ny akoho amam-borona fa izao zara raha mahalafo izahay”, hoy hatrany ny fanazavany.