Sosialy Tapatapany

Mety handrahona ny alahady sy alatsinainin’ny Paska

Tsy hisy ny rotsak’orana mandritra ny faran’ny herinandron’ ny Paska. Raha ny tombantomban’ny eny anivon’ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro dia handrahona avokoa ny andro eto Antananarivo, amin’ny alahady sy ny alatsinainin’ny Paska. Hahazo orana kosa ny morontsiraka Atsinanana sy ny faritra Avaratra mandritra ireo fotoana ireo. Hidina kosa ny mari-pàna, indrindra ny eto afovoan- tany. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fararano mamarana ny fotoam-pahavaratra i Madagasikara amin’izao fotoana izao ka mbola hitohy ny rotsak’orana.

Ao anatin’izao fialan-tsasatra izao dia mila mitandrina ireo mpampiasa lalana rehefa misy ny zavona, indrindra ireo mandeha eny amin’ny lala-mikodana sy ny eny amin’ ny lalam-pirenena. Tsy mahita lavitra ny mpamily rehefa misy ny zavona ka mety hiteraka lozam-pifamoivoizana. Mba hisorohana izany dia tsara ny mandrehitra ny jiro voatokana ho an’ny zavona na maraina na antoandro na alina, raha ny fampitandreman’ny avy eo amin’ny sampana mpamantatra ny toetrandro.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra