Tranga samihafa

Fandrobana Vola sy solosaina very tao amin’ ny trano fandriambahiny

Nidiran’ny lehilahy roa an-tsokosoko ny efitrano nohofain’ny lehilahy iray tao amina trano fandriambahiny iray, tany Analamboanio Toamasina, afak’omaly maraim-be. Voaroba ny vola dimy alina sy dimy hetsy ariary niaraka tamin’ny solosaina finday sy finday iray. Nitondra zava-maranitra ireo mpangalatra. Nisaron-tava ny iray tamin’izy ireo. Afaka nampandre ny mpitandro filaminana ilay lasibatra rehefa lasa ireo jiolahy.

Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary. Voasambotra ny iray tamin’izy roa lahy izay ahiana ho mpanafika. Noentina natao andrimaso ao amin’ny Borigadin’ny zandarimaria any Toamasina izy, eo am-pitadiavana ny namany sy hitondrana azy eny amin’ny Fampanoavana.