Sosialy Tapatapany

Fampianarana

Hisy ny fanofanana ireo mpampianatra. Ato anatin’ny telo taona ho hanatanterahana izay ao anatin’ny tetikasa Perform, izay tontosain’ny antokon-draharaha eny amin’ny oniversite mahakasika ny Frankôfônia na ny AUF. Teboka maro no ho hita ao amin’ity tetikasa ity toy ny fanamafisana fahaizan’ ireo mpampiofana eny anivon’ny sekoly ambony mahakasika ny fampianarana ENS sy ny Sekoly ambony misahana ny fampianarana teknika na ny ENSET. Mpampiofana dimy amby valopolo amby zato no hofanina mandritra ny telo taona hanatanterahana ny Perform.