Fanatanjahantena

Baolina lavalava – « Gold top 20 » Nahazo ny tapakila amin’ny famaranana ny Cosfa sy ny TFA

Tontosa teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny dingana manasa-dalana tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, na ny “Gold Top 20”, omaly. Tafakatra tamin’ izany ka hiatrika ny lalao famaranana ny TFAnatihazo (TFA) sy ny Cosfa. Nandresy ny FT Manjakaray (FTM) kosa ny Cosfa tamin’ny isa 18 noho 17.
Tsy mety afa-bela ny FTM nanoloana ny Cosfa. Niady hatramin’ny minitra farany ny lalaon’ny ekipa roa tonta.

Mialoha ny fialan-tsaratra dia efa nisaraka ady sahala 10 sy 10 ireo mpilalaon’ny Miaramila sy ny Dakar.
Nahatondra baolina noenti-tanana iray avy izy ireo.
Tafavoaka mpandresy tamin’ny isa roa, 37 noho 32, indray ny TF Anatihazo (TFA). Niady ihany koa ny lalao noho ny ekipa roa tonta efa samy manana traikefa saingy lasan’ity farany ny tapakila amin’ny dingana manaraka.
Hotanterahina eny amin’ny kianja Makis hatrany ny lalao famaranana, amin’ny 2 febroary 2020.