Sosialy

Toetrandro Hitohy hateloana ny orana

Vinavinaina hisy orana hatrany ato anatin’ny telo andro ho avy, araka ny vaovao azo avy amin’ny teknisiana ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetrandro, omaly. “Efa tafiditra ao anatin’ny fahavaratra tanteraka isika izao. Misy foana ny orana amin’ny ankapobeny”, araka ny fanazavany. Oram-pahavaratra, mety harahina na hialohavana tafiotra, no hirotsaka eto Antananarivo.

“Mety hahitana havandra ihany koa izany”, hoy indray iry teknisiana iry. Hafana sy hanevokevoka ny andro ao anatin’ireo telo andro ireo. Manodidina ny 26°C hatramin’ny 28°C ny mari-pana ambony indrindra. Eo anelanelan’ny 19°C hatramin’ny 20°C kosa ny mari-pana ambany indrindra.