Tapatapany Tranga samihafa

Mpamerin-keloka

Efa voasambotry ny polisy intelo ary vao nivoaka ny fonja tsy ela akory izay ny iray tamin’ny lehilahy roa voatondro ho mpanendaka tra-tehaka, teny Andrano­manalina sy Ambodin’Isotry, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Polisy no nahatratra azy ireo. Teo am-panarahana olona saika hoendahiny ilay lehilahy mpamerin-keloka no azo.