Fanatanjahantena

Fivorian’ny kaonfederasiona afrikana Handalo fanindroany eto Madagasikara ny filohan’ny FIFA

Taorian’ny fandalovan’i Sepp Blatter, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa) teo aloha, tamin’ny taona 2010, dia ho avy eto Madagasikara ihany koa, i Gianni Infantino, filoha am-perin’asan’ny Fifa, amin’ny alahady ho avy izao. Hanatrika ny fivorian’ny Kaonfederasiona afrikana (CAF) any Mahajanga, ity lohan’ny baolina kitra maneran-tany ity.

Mialoha ny handehanany any an-drenivohitr’i Boeny anefa dia hitsidika ny Filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry Nirina, izy amin’ny alatsinainy maraina ho avy izao.

Hifampiresaka amin’ireo mpitantana ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra kosa izy, ny tolakandro.
“Horesahinay amin’io fitsidihana ny FMF io ny fivoaran’ny tetikasan’ny Fifa eto Madagasikara. Hijery ny mety ho fanampiana an’i Madagasikara ihany koa izahay amin’izao firoboroboan’ny baolina kitra malagasy izao”, hoy Rabekoto Arizaka Raoul, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly hariva.