Tranga samihafa

Fiampitana nitera-doza Zazalahy mpianatra naratra voadonan’ ny kamiao

Naratra voadonan’ny kamiao ny zazalahikely iray, telo ambin’ny folo taona, niampita arabe teny amin’ny By-Pass Ambohimangakely, omaly maraina. Nibaby kitapo teny an-dalana hamonjy sekoly izy no niha­ram-boina. Andiana ankizy mpianatra maromaro izy ireo no niaraka.

Nivoaka ny taksibe ka nikasa hiampita ny arabe ireo ankizy ireo. Nihemotra niverin-dalana ny ankizy sasany. Nanohy niampita ny zazalahikely iray kanjo voadonan’ny fiarabe iray nitondra kaontenera, araka ny fana­zavana voaray tamin’ny mpitandro filaminana. Nihoson-dra teo amin’ny arabe ilay zaza. Nentina haingana tao amin’ny toeram-pitsa­bo­ana iray teny Ambohimanga­kely izy, mialoha ny nitondrana azy tany amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Nanao ny fanadihadiana teny an-toerana sy nijery ny mpamilin’ny kamiao nanao loza ny zandary.