Fanatanjahantena

Basket-ball – “Juniors NBA” Hametraka tantara vaovao ny Federasiona

Fandaharana vaovao mikasika ny taranja basket-ball nanomboka notanterahina teto Antananarivo ny “Juniors NBA”. Tetikasa hita fa manintona sy mahasarika ireo tanora tia ny taranja.

Hametraka tantara vaovao amin’ny taranja basket-ball eto an-toerana ny Federasiona malagasy amin’ny alalan’io fanda­rahana ho an’ny ankizy telo ambin’ny folo ka hatramin’ny enina ambin’ny folo taona io. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy io tetikasa io, tamin’ny sabotsy teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano.

Natao toy ny fifaninanana NBA any Etazonia mihitsy ity hetsika ity. Nizara roa ny fiteny nampiasiana ka tao anatiny ny fiteny anglisy nandritra ny lanonam-panokafana na dia nampiarahana tamin’ny fiteny frantsay aza mba ho azon’ireo ankizy. Ekipa, sokajy zazalahy miisa telopolo sy sokajy zazavavy miisa telo amby roapolo no nilatro nialoha ny fifa­ninanana. Nohamafisin-dRamaroson Jean Michel, filohan’ny Federasiona malagasin’ny basket-ball fa “tafiditra amin’ny fifani­nanana ihany koa ny fanabeazana”.
Amin’ny faran’ny herinandro vao tena manomboka ny lalao eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Sendra R.