Kolontsaina Pejy manokana

Fiainana mpikirakira lamaody Ny faniriany hanan-janaka vavy tsy tanteraka no nahatonga azy ho Fabiola

Raha vao miteny hoe lamaody afrikanina dia ny Chic by Fabiola izay tantanan’I Mionja avy hatrany no ao an-tsain’ny maro. Tsy kisendrasendra ny nahatongavany tamin’ny toerana maha mpandraharaha sy mpikirakira lamaody azy. Nandalo sedra maro ary niady mafy tamin’ny fiainana izy. Ny fikirizana sy risi-po tsy hanaiky ho resin’ny fiainana ary indrindra ny fitahian’ilay nahary no isan’ireo tsiambaratelon’ny fahombiazany. Mizara ny dingana nolalovany sy ny fiainany amin’ny ankapobeny izy.

Marcelo Mionja Sandatra no tena anaran’ny vahinintsika, izay antsoin’ny maro hoe «Madame Fabiola». Raha ny marina dia i Mionja no fiantso azy, fa anaran-janany nasiany fanovana kely ny hoe Fabiola. Io no anarana nofidiany raha toa ka nanan-janaka vavy izy saingy tsy nety tanteraka izany hatramin’izao. Roa lahy ny zanany ka ny anarana hoe Fabio no nampiany ka nataony ho anaran’ny orinasany, mandrak’ankehitriny.

Nampiroborobo sady nampandroso ny orinasany izay anarany izay ka tsy mampaninona azy mihitsy na antsoina hoe Fabiola aza izy.
Vehivavy malagasy manana ny toerany amin’ny fandraharahana sy ny varotra raha i Mionja.

Fehezanteny tsy afaka am-bavany ny hoe “tsy mba nanaiky ho resin’ny fiainana izany aho”. Lohahevitra fototra sy niaingany ny tontolon’ny lamaody afrikanina. Nampivelatra ny asany ihany koa anefa ny fanomezany vidin’entana tena mora kanefa
miavaka sy tsy fahita firy. Raha ny nambarany, tsy mionona amin’izay entana hitany any ivelany fotsiny ity vehivavy mpandraharaha ity, fa tena manafatra manokana any amin’ny ozinina vahiny mihitsy, mba hahafahan’ny mpanjfany eto Madagasikara manana entana tena miavaka. Efa mihamaro ihany koa ny mankafy ny zava-bitany any ivelany ka manjifa izany, toy ny any La Réunion sy Afrika Atsimo. Ankoatra izay, tsy vitsy ny mpanakanto malaza no miara-miasa aminy amin’izao fotoana izao.

Nivarotra “yaourt”

Niaina teo anivona fianakaviana tena sahirana i Mionja. Nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny ka niaina ny fahasarotana nianjady tamin-dreniny izy. Fanasan-damba sy fivarotana enta-madinika no nameloman’ilay nitondra azy sivy volana an-kibo. Nanosika azy hihoatra sy hiady mafy mba tsy ho resin’ny fiainana izany rehetra izany. Raha vao afaka fanadinana bakalorea ny vehivavy, dia sady nanohy ny fianarana no nanao asa madinika ihany koa.

“ Nivarotra “yaourt” mandehandeha no niantombohako. Miainga vao maraina teny 67 ha aho, mitondra fitahirizan-kanina amin’ny ranomandry (glacière) lehibe feno “yaourt”. Mitety ireo orinasa afaka haba maro teto an-drenivohitra, avy eo. Ny tombom-barotra rehetra azoko tamin’izany nandritra ny fe-potoana lava no nentiko nihetsika taty aoriana rehefa tonga ny krizy ka nikatona avokoa ireo orinasa afaka haba rehetra”, hoy i Mionja mampahatsiahy ny fiainany tany amin’ny folo taona lasa.

Niharana fihetsika tsy mendrika nataona olona samihafa ihany koa i Mionja tamin’io asa fivarotana nataony io. “Tena niaritra trangan-javatra maro aho nandritra ny fotoana nivarotako “yaourt”. Nihatra tamiko avokoa ny karazana fihetsika tsy maontina, toy ny kapoka fitombenana nataon’ireo tovolahy nahita ahy. Nisy tamin’izy ireo aza nahasahy nibatabata ahy mihitsy “, araka ny fitantarany hatrany.

Indroa nahita ny maizina

Mafy ny onjam-piainana nitondra an’i Mionja. Rehefa nisara-toerana ny ray sy reny niteraka azy dia nanjary «nivezivezy toy ny firaka atakalo», araka ny fiteny ity vehivavy ity. Mbetika izy mipetraka any amin’ny rainy. Tsy tamàna tany anefa izy noho ny toetra tsy zaka ataon-drenikeliny azy, ka niverina tany amin’ny reniny indray. “Tapi-dalan-kaleha aho ka nandeha tany amin-dry masera. Noraisin’izy ireo rehefa avy namboraka ny momba ny tantarako. Nanomboka namiratra ny fiainako tamin’izay fotoana izay satria sady nisy niahy aho no nianatra. Indrisy anefa fa tsy maintsy niala teto Madagasikara ilay masera niantoka”, hoy ny fitantarany.
Nanjombona teo indray ilay masoandro kely efa niposaka teo amin’ny Mionja. Na izany aza dia nikaroka vahaolana ho azy ilay masera satria tsapan’itsy farany ny fahakiviana niainan’i Mionja. “Noentiny tany amina toerana fitaizana zaza kamboty iray izao aho. Voaray soa aman-tsara ny tenako. Fepetra napetraka taminay tao ny hoe tsy mahazo mifampisakaiza amina tovolahy. Amin’ny maha tanora ny tena anefa dia nanomboka nitsiry ilay faniriana hiaraka amina olona iray. Indrisy, fa teo am-pikarakarana ny fandehanako tany ivelany anefa no tratra niaraka tamina tovolahy aho. Nofoanana toy ny tsy nisy ireo taratasy rehetra hivoahako ho any Alemaina tamin’izany fotoana izany”, araka ny fampahatsiahivany hatrany. Na indroa nikatona tamin’i Mionja aza ny varavaran’ny fahombiazana dia tsy nipetraka fotsiny tamin’izao izy fa niezaka sy nifofotra foana.

Nikaroka lalam-barotra

Rehefa nitranga ireny krizy ireny, dia lasa nivezivezy teto Antananarivo sy Antsiranana i Mionja. Niasa tena izy ka ny zaitra no nifotorany, niainga tamin’ireo vola voaangona tamin’ny varotra yaourt. Maka ravin-damba dia manjaitra maodely isan-karazany izay tena be mpanafatra tsikeli- kely ny tenany. Ny lamaody afrikanina no tena nataony ary be mpankafy sy mpanjifa izany. Niroso tamin’ny fanaovana varotra amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera an’ireo karazana entana vokariny ny vehivavy, tamin’ny marsa 2017. Tsy niandry ela, fa telo volana taorian’izay ihany dia nanokatra ny toeram-pivarotana voalohany “Chic by Fabiola” eny Andranomena, Antananarivo, i Mionja.

Ny lamaody afrikanina amin’ny endriny manontolo no hita teny an-toerana, miampy ireo kojakojam-bolo natoraly fanaovana tovana na ny «tissage vrai cheveux». Enim-bolana taorian’izay indray, nanakaiky kokoa ny mpanjifa izy ireo ary nanokatra ny botika eny Soarano. Noho ny hetahetan’ ny maro dia nivelatra amin’ny sehatra maro ny Chic by Fabiola, ankehitriny, ka nanjary nisehatra amin’ny fikoloana endrika amam-bika sy ny famokarana kiraro samihafa.

Fahaiza-mitantana

Renim-pianakaviana i Mionja alohan’ny maha vehivavy miasa sy mpandraharaha azy. Mihitsoka tsy afaka miasa izy raha vao tsy manana mpanampy, raha ny nambarany. “Tsy mba toy ireo reny miasa ka manana olana amin’ny mpanampy sy ireo mpiasa ao amin’ny orinasa tantanako aho. Valo taona izao no niasan’ilay mpitaiza zaza tao aminay. Hatramin’izao dia tsy manana olana amiko izy fa tamana tsara. Toy izany koa ireo mpiara-miasa amiko ao anatin’ny orinasa. Miala amin’ny nahim-pony ny ankamaroany fa tsy mbola nandroaka mpiasa fotsiny tamin’izao aho”, hoy i Mionja. Manana tombony lehibe isika vehivavy rehefa mitantana araka ny fanazavany.

“Masiaka ny vehivavy saingy be indrafo sady mahay mihaino ireo olona tantanany. Tsy mety kosa ny manao masiaka be fahatany rehefa mitondra olona, fa mila mitady zavatra hizarana hafaliana sy iarahana mikoràna hatrany”, hoy hatrany izy. Mahatratra efapolo mahery ny olona miara-miasa aminy ankehitriny raha olona dimy fotsiny no nampihodina izany tany am-boalohany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra