Raharaham-pirenena Tapatapany

Antenimierampirenena

Nanomboka omaly ka haharitra mandritra ny telo andro ny atrikasa fampiofanana voatokana ho an’ireo mpiasa raikitra eo anivon’ny Antenimierampirenena. Ny Ivon-toerana misahana ny fifidianana ho an’ny demokrasia maharitra eto Afrika (Eisa) no hampianatra momba ny fanombanana ny politikam-panjakana. Tanjona kendrena ny hahafahan’ireo mpiasa raikitra eny anivon’ny antenimiera mifanampy amin’ireo solombavambahoaka amin’ny fanamboarana, ny fanatanterahana ary ny fanaraha-maso sy fanombanana ny politikam-panjakana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra