Raharaham-pirenena

Fifamoivoizana an’habakabaka

Nifarana tetsy Antsahavola, afak’omaly, ny fiofanana momba ny fitsipika ara-pahasalamana natrehan’ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany, izay nomen’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Tsy ho ela intsony, araka ny tenin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetry ny andro, Randriamandranto Joel, no hiverenan’ny sidina iraisam-pirenena mampitohy an’i Madagasikara sy ny any ivelany.

Aoriana ao no hamaritana ny daty mikasika izany, satria tsy maintsy hatao vonona ireo fepetra ara-pahasalamana mifandraika amin’izany. Nandritra ny fihaonan’ny minisitra sy ireo mpandraharaha tetsy Anosy no niresahana an’io famerenana ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara amin’ny any ivelany, indrindra amin’ny fitaterana olona io.

Nanamafy ny hafatra amin’ny fampiharana an’ireo toromarika vao avy nampitaina tamin’iretsy mpandraharaha iretsy ny minisitra.