Hatairana ny an’ny fianakaviana tamin’ny fahitana ny vehivavy iray, 19 taona, maty nihatona teny ambony hazo tany Tsakoameloky Morondava, tamin’ny marainan’ny zoma 15 mey lasa teo. Ahiana ho nanaton-tena izy. Nahitana tavoahangy nisy poizina ihany koa teo ambody hazo.
Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny polisy. Nohenoina ny fianakavian’ity namoy ny ainy. « Nanana olana io vehivavy io sy ny vadiny tao amina trano iray iasan’ilay lehilahy. Efa niezaka nifampiraharaha tamin’ny tompon-trano hono ny fianakaviana mba handaminana izany. Niala tao an-tranony anefa ilay vehivavy, ny tolakandron’ny alakamisy 14 mey. Tsy nisy nahalala izay nalehany », hoy ny polisy any Morondava.
Naharay antso avy amin’ny lehiben’ny fokontanin’i Tsakoameloky ny polisy, ny marainan’ny zoma fa misy vehivavy maty mihatona eo ambony hazo. Iry vehivavy nanana olana teo ambony ity nindaosin’ny fahafatesana ity.
Hanome hevitra