Tranga samihafa

Hosoka Mpiasan’ny Jirama nanodinkodina 170 tapitrisa ariary

Voamarina fa vola mitentina 170 tapitrisa ariary no voahodinkodina tao amin’ny orinasa Jirama, any Boriziny, taorian’ny fanamarinana notanterahan’ny ekipa mpanara-maso ao amin’ity orinasa ity. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa mpiasa ao amin’ny orinasa ihany no atidoha nikotrika an’izao asa ratsy izao, na dia efa niala tamin’ny toerany, nanomboka tamin’ny 4 mey lasa teo, aza io olona io.

Nampidirina am-ponja vonjimaika ny tompon’andraikitry ny Jirama any Boriziny, taorian’ny fakàna am-bavany nataon’ny Polisim-pirenena sy ny didy navoakan’ny Fitsarana.

Mampahatsiahy ny mpitantana ny Jirama fa tsy handefitra na amin’iza na amin’iza izay manao asa ratsy mandatsaka an-katerana ny orinasa tahaka izao, ka miantso hatrany ny fiaraha-miasan’ny rehetra ho sahy hitory an’izany.