Tranga samihafa

Fifanenjehana teny Itaosy Nanapoaka basy inefatra ireo jiolahy

Nanakoako ny feombasy, teny Ambohijanamasoandro Itaosy, tamin’ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny 9 ora. Olon-tsy fantatra heverina ho saika nanao fanafihana no nanapoaka basy inefatra.

Teo am-pandosirana ny mpitandro ny filaminana izy ireo no nanao izany. Niantso ny mpitandro filaminana haingana ny olona, teny Ambohijanamasoandro, rehefa nahita zavatra mampiahiahy sy olona heverina ho jiolahy. Mety ho saika nandroba trano lehibe iray ireo olona ireo. Samy tonga teny an-toerana ny polisy sy ny zandary.

Nirifatra nandositra ireo olon-dratsy sady nanapoaka basy ho fampitahorana an’ireo mpitandro filaminana nanenjika. Tsy hita ary tsy fantatra ny isan’ireo olona nandositra noho ny haizina. Tsy nisy ny olona naratra na maty voatifitra, nandritra io fanapoahana basy io. Tsy nisy ihany koa ny trano voaroba sy ny zavatra very.