Tranga samihafa

Fanafihana Vehivavy navotsotr’ireo jiolahy teo am-pakana vola

Afa-doza ny vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany, teny Ivato, afak’omaly. Nentin’ny jiolahy, izay nanafika tao an-tranony, hiaraka amin’izy ireo haka vola teo amin’ny milina fakàna vola an’ny banky teny Ivato io vehivavy io. Niantso vonjy avy hatrany tamin’ireo tafika sendra nandalo anefa izy ka nirifatra nandositra ireo jiolahy.

« Nanaovan’ny andian-jiolahy miisa dimy lahy bemidina ny tranon’ny teratany vahiny iray, teny Mamory Ivato, tamin’ny vao maraim-be ny 17 mey lasa teo. Nihanika tamboho ireo jiolahy tamin’ny nidirany tao amin’ity tanàna. Nofatoran’izy ireo ilay vahiny teratany frantsay tao. Nentin’izy ireo niaraka taminy teny amin’ny milina fakàna vola, saika hoterena haka vola, ny vadiny sy ny zanany iray, 3 taona. Tsy tanteraka izany noho ny fandalovan’ireo tafika avy ao amin’ny Bani nanavotra azy mianaka », hoy ny loharanom-baovao. Tafatsoaka avokoa ireo jiolahy fa tsy nisy tratra.