Kolontsaina

Fahafatesana mpanoratra Nodimandry Ny Ony, mpamelona ny «Feom-baliha mena masoandro»

Nindaosin’ny fahafatesana, tamin’ny zoma 15 mey 2020, teo amin’ny faha-60 taonany Razanamanana Marie Julienne fantatra amin’ny hoe Ny Ony eo amin’ny sehatry ny literatiora. Fantatry ny maro amin’ny hoe dokotera Julienne izy amin’ny maha mpitsabo azy.

Nahavita be teo amin’ny tontolon’ny kanto Ny Ony. Isan’ireo namelona ny fandaharana « Feom-baliha mena masoandro » tao amin’ny  onjam-peom-pirenena, niaraka tamin-dry Ener Lalandy, GRG, Om-Guy, tamin’ny taona 1980-1991. Manana ny mariboninahitra ambony momba ny Haikanto sy haisoratra ary kolontsaina ity mpanoratra ity. Nampisongadina an’Ny Ony ny fanoratana tononkalo, sombin-tantara, angano ary tantara tsangana.

Ny fitiavana no lohahevitra mibahana ao anatin’ny asa sorany, hatramin’ny faha-15 taonany izay nanombohany niroboka tamin’ny asa soratra. Niditra ho mpikambana tao amin’ny fikambanan’ny poeta sy mpanoratra malagasy (HavatsaUpem) izy, tamin’ny taona 1989.

Boky navoakany farany, tamin’ny volana febroary lasa teo, ny « Bitsiky Ny Ony », ahitana amboarantononkalo sy sombintantara.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra