Kolontsaina

ANTSA TONONKALO Hiventy ny “Hafatra” eny an-dampihazo Rasamy

Fanindraindrana ny tenin-drazana sy ny tanindrazana ary ny fitahirizana ny maha malagasy amin’ny alalan’ny asa soratra. Anisan’ny mampiavaka an-dRasamison Andriarimanana Aimé, fantatra amin’ny maha poeta azy hoe Rasamy ireo rehefa mby ao aminy ny aingam-panahy. Tsy manalavitra izany ireo tononkalo roapolo voarakitra ao anatin’ilay amboaran-tononkalony “Hafatra”, izay hoventesiny mandritra ny hetsika fankazalana ny faha-30 taonan’ny zanaka am-pielezan’ny fiangonana FJKM Miarinarivo Fahazavana, amin’ny alahadin’ny Pantekôsta ho avy izao. Hanatontosa fandaharam-potoana roa lehibe ny eny an-toerana hoentina hanamarihana izany taon-jobily izany. Ny voalohany, tapany maraina, hanaovana fotoam-bavaka lehibe hanasana ny zanaky ny fiangonana rehetra. Ny faharoa, ny tolakandro, seho an-tsehatra hiarahana amin-dRasamy hiantsa tononkalo. Hanaingo izany an-kira sy ny rotsin-javamaneno ny tarika Bemiray, havanana amin’ny gadona gasigasy.

“Marolafy ny lohahevitra ho hita amin’ny antsa io. Notsongaina manokana ireo tononkalo manodidina ny roapolo eo ho eo, hoventsoina ao. Ao ny miresaka fitiavana, maneho ny halehiben’Ilay Nahary, misy ireo mitatitra ny fiainam-piarahamonina. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mahatsikaiky”, hoy Rasamy.

Fredo Rakotoarisoa