Raharaham-pirenena

Fanatsarana ny sosialim-bahoaka “Manan-jo hisitraka fampandrosoana sahaza ny mponina”, hoy Razafindravahy Edgard

Manamafy ny vinampampandrosoana nentiny nandritra ny nitantanany ny tanànan’Antananarivo, fony izy Filohan’ ny delegasiona manokana (PDS) teto an-drenivohitra Razafindravahy Edgard, na dia mitazona andraikitra lehibe eo anivon’ny governemanta aza, ankehitriny. Noraiketiny tao anatin’ny boky miompana amin’ny Fanorenana Ifotony mihitsy ny fampandrosoana ny tanàna sy ny fiainan’ny mponina, toy ny fampivoarana ny fifamezivezena antanàn-dehibe. Ny tena mahamaika izao, hoy izy, dia ny fanatsarana ny sosialimbahoaka, ka isan’izany ny famitana haingana ny tetikasa fitaterana mikorisa an-tariby na Teleferika.

« Manan-jo hisitraka ny fampandrosoana sahaza azy ny vahoaka », hoy Razafindravahy Edgard nanoloana ny mpanao gazety tetsy amin’ ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostrian’Antananarivo, teny Antaninarenina, omaly, raha namaly ny fanontaniana ny heviny momba ny tetikasa Teleferika izay mahabe resaka, tato ho ato. Mazava izany, raha io fanehoan-keviny io, fa tsy tokony ho any amin’ny hoe hatao sa tsia intsony ny adihevitra mipetraka, amin’izao fotoana izao, fa ny fanohizana ny asa hatramin’ny farany.

Mibaiko ny fanapahankevitra raisin’ny Fanjakana rehetra ny mahasoa ny vahoaka, ary “tena ilain’ny vahoaka ny fanatsarana ny sehatry ny fitaterana an-tanàn-dehibe, raha ny fanazavan’ny minisitra, satria vao mivoaka ny tranony izy dia izay hahatongavana any amin’ny toerana hiasany no mahamaika azy”.

Fitsinjovana ny mpanjifa

Iarahana miaina sy mizaka tokoa ny fatiantoka noho ny fahaverezam-potoana vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Saika nitady vahaolana hanalefahana an’io toe-javatra mpiseho amin’ny tanàn-dehibe maneran-tany io ny ankamaroan’ny firenena any ivelany. Nitondran’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana ohatra ny endri-piovan’ ny fitaterana toy ny any Shina. “Tsy tokony ho diso anjara amin’ny fisitrahana fotodrafitrasa maoderina tahaka ny fitaterana mikorisa an-tariby ny Malagasy ary inoako fa tena hanala fahasahiranana ho an’ ireo mponina eto Iarivo ity tetikasa ity” , hoy izy.

Masa-bary maito kitoza satria tonga amin’ny fotoana ilàna azy tokoa ny fanapahankevitry ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fampidirana ny fitaterana mikorisa an-tariby. Heveriny ho maodely aza ny fahavitan’ny Teleferika eto an-drenivohitra ka mety hifandrombahan’ny toerana sasany koa ny fametrahana azy, ao aoriana kely ao.

Isan’ny teboka natsidiny ho fiarovana ny mpanjifa, tetsy an-kilany, ny fahafahana mijery manokana ny saram-pitaterana sahaza ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Tsy ananany ahiahy kosa ny fifandaminana eo amin’ny Fanjakana sy ireo mpitantana ny sekoly masindahy Misely momba ny fametrahana an’ireo andry hikorisan’ny kabinan’ny Teleferika etsy Anosy. « Irariana ny hahatanterahany haingana ary efa teny ifanomezana nataon’ny mpitondra ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina. Tafiditra ao anatin’ izany ny fitaterana an-tanàndehibe sahaza ho an’ny isantokantrano », araka ny nohamafisin-dRazafindravahy Edgard.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao